<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.H. Monk</author>
<title>O, ry Jesosy, ny Anaranao FFPM752</title>
<lyrics>[V1]
 O, ry Jesosy, ny Anaranao
 Manatsika ahy izao hanatona,
 Hanolotra ny foko ho Anao,
 Mpamonjy tia sy Mpamelona.

[V2]
 Manatona aho, ka miondrika
 Hanoroka ny tongo-masinao ;
 Izaho olona tsy mendrika,
 Ka mba havaozy, Tompo,
 ho Anao !

[V3]
 Antsoiko isan-andro Hianao
 Ry Toky tsara mahafatra-po,
 Ka amin'ny Anara-masinao
 No anankinako izay hanjo.

[V4]
 Raha io no entiko mangataka,
 Hisokatra amiko ny lanitra,
 Ka dia ho azoko malalaka
 Ny zava-tsoa izay maharitra.

[V5]
 Mamirifiry izao tontolo izao
 Tsy misy tena fitsaharana ;
 Fa fiereko ny Anaranao
 Ka ahitako fiadanana.

[V6]
 O, ry Anaran'i Jesosiko,
 Ry Paradisa atý an-tany ô !
 Ry voninkazo mampifaly fo !
 Ry tohan'aina ao an-dalako.

[V7]
 Iriko andro aman-alina
 Ny hanana Anao ho ao
 am-po,
 Ho Tokiko raha mbola
 velona
 Sy amin'ny hahafatesako.
 NY FIVORIAN'NY TANORA</lyrics>
<hymn_number>752</hymn_number>
</song>